Fampandraharahana ny tanora : hiara-kiasa ny CT Motors sy ny Banky Baobab

Hanome sehatra ny tanora tsy an’asa, tontosa tetsy Andraharo, ny fifanaovan-tsonia teo amin’ny orinasa CT Motors sy ny banky Baobab Madagasikara mahakasika ny fiaraha-miasa eo amin’ny fampindramam-bola ho an’ny mpanjifa, omaly. Hahazo tombontsoa amin’izany ireo ma­niry hividy fitaovam-pitaterana ao amin’ny orinasa CT Motors satria afaka mindram-bola mivantana amin’ny Baobab. “Nosantarina andro vitsy tany Nosy Be Hell-ville ity fiaraha-miasa amin’ny Baobab ity”, hoy ny namba­ran’ny tale jeneralin’ny CT Motors, Tahora. Mahasarika ny mpanjifa sady fitaovana be mpampiasa indrindra ao an-toerana ny Tuc-Tuc ka nomena sehatra hisitraka izany ireo tanora.“Nomen-danja amin’
izao fanombohan’ny fiaraha-miasa izao ny tanora mpandraharaha”, hoy ny eo ani­von’ny banky Baobab. Iray tapitrisa Ar ny vola aloan’ny mpanjifa voalohany. Afaka mamerina ny vidin’ny fitaovana anatin’ny telo hatramin’ny 30 volana araka ny fahafahany izy ireo aorian’io. Tsy mijanona amin’ny Tuc-Tuc, hivelatra amin’ny sarangan’olona rehetra maniry hanana bisikleta, moto hatramin’ny fiara ity tetikasa hiarahan’ny CT Motors sy ny Baobab ity, atsy ho atsy.

Tsiferana R.

Partager sur: