Kariera nihotsaka : mpitrandraka vatosoa maty tototry ny tany

Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana iray tototry ny tany tao amina kariera fitrandrahana vatosoa, tao amin’ny fokontany Fotsialanana, kaominina Amboriala Andrafen­kona, distrika Vohemar, ny zoma 31 mey teo. Samy nidina tao anatin’ny kariera ireo olona miisa telo, mpivahiny, ao an-toerana. Nahatsikaritra tranga hafahafa anefa ny zanaky ny mpitrandraka iray ka niakatra an-tanety. Voa­vonjy afaka nivoaka tao anatin’ilay lavaka izy. Tetsy ankilany, tavela tao anatin’ny lavaka amin’io toeram-pitrandrahana harena an-kibon’ny tany io ny rainy. Nihotsaka tampoka ny lavaka. Niezaka nanavotra azy ireo mpitrandraka sasany saingy tsy tana ny ainy. “Tsy manara-dalàna ireo mpitrandraka niharan-doza ireo noho izy ireo tsy manana taratasy fahazoan-dalana manokana hitrandraka”, araka ny fanazavan’ny tale misahana ny harena an-kibon’ny tany ao amin’ny faritra Sava. Misy fahazoan-dalana avy eo anivon’ny fokontany ireo mpitrandraka ireo saingy mbola eo am-panatontosana ny fanavaozana izany. Mijery ifotony sy miroso amin’ny fanadihadiana manoloana io tranga io ny tomponandraikitra ao an-toerana.

Tsiferana R.

Partager sur: