Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola, ny politika ankapobeny momba ny fampandrosoana nosoritan’ny governemanta hanaovana tombana. Manohana izany tombanezaka izany ny Unicef, Pnud, Clear*, ka nanofana mpanao tombana 51 avy amina sehatra samihafa, izay notolorana mari-pankasitrahana noho ny fahavitana fiofanana.
Mari-pankasitrahana ankatoavina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra natao ho an’ny tany mampiasa sy miteny frantsay aty Afrika. Karazany maro ny fanofanana nomena ireo mpiofana, ohatra, eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, fahasalamana, asa vaventy, sns …. Avy amin’ireny no handrefesana ny politikan’ny fitondrana mahakasika ny fiainam-bahoaka.
Valin’ny tombana azo dia fitaovana handraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny ambaratonga samihafa. Maro ny mpiara-miombon’antoka manampy ny fanjakana foibe eo am-pahitana valin’izany fikarohana izany isaky ny lohahevitra. Isan’ny manohana ny fanjakana, ny Oniversite, Clear, Masse*, Firenena mikambana, izay miara-mandrafitra ny politika ankapobeny momba ny fampandrosoana ka ankatoavin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny vola.
Ndrina
Clear* : Center learning on evaluation and results pour l’Afrique francophone.
Masse * : Association malgache d’évaluation