Potika ny lohany : tovolahy maty voahitsaky ny kamiao

Maty tsy tra-drano notetezin’ny kamiao teo amin’ny lohany ny lehilahy iray 20 taona tao tampon-tanànan’ Am­banja, omaly maraina. Nan­dalo toy ny fiara rehetra nifamezivezy io fiarabe io. Tampoka, voahitsaky ny ko­di­arana ny lehilahy iray. Niko­ropaka nijery ny zava-nisy ny manodidina. Poa toy izay, nandriaka teo amin’ny arabe ny ra. Potika tanteraka nohitsian’ ilay kamiao teo amin’ny faritry ny lohany sy tendany ilay lehilahy. Maty tsy tra-drano izy. Araka ny filazan’ny nanatri-maso, nihazakazaka nitsofoka tao ambanin’ny kodiarana mihitsy io lehilahy io. Nifanin­dry an-dalana tamin’ny fandehanan’io fiara io ny fihetsiny ka izao nitera-doza izao. Etsy ankilany, nanokatra fanadihadiana tamin’ny antony nahatonga ny loza ny eo anivon’ny polisim-pirenena ao Ambanja. Naiditra am-balampamon­jana, araka izany, ny kamiao nitera-doza. Notanana atao andrimaso sy fanadihadiana koa ny mpamily. Natolotra ny fianakaviany kosa ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy taorian’ny fitsirihan’ny mpitsabo sy fahatongavan’ny tomponandraikitra tao an-toerana. Tsiahivina, vao ny 30 mey teo no nahafatesana raim-pianakaviana iray teny amin’ ny lalam-baovao Rocade Iarivo. Voahitsaky ny kamiao mpitatitra fako ilay rangahy. Nanao fanahiniana nitsoraka ambany kodiaran’ny fiarabe koa izy tamin’io fotoana io, araka ny fanazavan’ny nanatri-maso.

Tsiferana R.

Partager sur: