Nirefodrefotra ny basy teny Ambondrona, omaly hariva tamin’ny 4 ora. Jiolahy nikasa handroba maty voatifitry ny polisy.
Roa lahy nitam-basy nandroba renim-pianakaviana iray avy naka vola teny amin’ny Cash-point, etsy Ambondrona, omaly. Narahin’ireo olon-dratsy io renim-pianakaviana io rehefa avy naka vola. Nandeha moto ilay ramatoa ka nosakanan’ireo olon-dratsy ny moto. Niantso vonjy anefa ilay lasibatra. Tsy nanaiky nanome ny vola teny aminy izy. Namahana fitaovam-piadiana avy hatrany ireo tsy valahara. Tetsy ankilany, nisy polisy nanao fanamiana sivily tsy lavitra ny toerana nitrangan’ny fandrobana. Namonjy ilay ramatoa izy. Azon’ io polisy io ny basy teny am-pelatanan’ny jiolahy iray. Notifiriny avy hatrany io mpandroba io. Vokany, voatifitra teo amin’ny faritry ny tongony sy ny tratrany ilay jiolahy ka namoy ny ainy.
Nanao tari-dositra…
Nitangorona tao anatin’ny minitra vitsy ny mponina manodidina. Nanararaotra nanao tongotra an-katoka ilay jiolahy iray tsy voatifitra. Tsy nahazo ny vola teny amin’ilay renim-pianakaviana avy naka ny vola teny amin’ny Cash-point ireo olon-dratsy. Tonga naka ilay jiolahy voatifitra teny an-toerana ny fiara tsy mataho-dalana an’ny polisim-pirenena. Mitohy ny fikarohana ny naman’ilay jiolahy voatifitra.
Tsiferana R.




