Nampihoron-koditra ! Raim-pianakaviana iray hita faty tao ambany tetezana mainty ao Toamasina, omaly maraina. Efa simba tanteraka raha ny fahitana ny razana satria efa nibontsina sady maimbo. Hatreto aloha tsy fantatra mazava ireo tompon’antoka tamin’izao vonoan’olona feno habibiana izao. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny lehiben’ny sampana mpamonjy voina ao Toamasina, ny Kly Désiré, tsy olona maty an-drano na namono tena ity raim-pianakaviana fa novonoina tany amin’ ny fokontany manodidina ny renivohitr’i Toamasina. Roa andro taorian’ny namonoana azy vao natsipy tao ambany tetezana mainty. Tonga teny an-toerana nifanampy tamin’ny mpamonjy voina nampiakatra ny razana ny dokotera avy ao amin’ny BMH. Nandritra ny fotoana nampiakarana ny razana no nahenoana resak’olona nilaza fa hoe valifaty ny ambadik’izao raharaha izao. Mpanao bizina miaraka amina namany ity raim-pianakaviana niharam-boina ity. Mijanona ho tombana sy ahiahy avokoa izany rehetra izany saingy ny valin’ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana no mamaritra ny marina rehetra amin’ity fahitana fatin’olona ity.
Tovolahy iray koa hita faty…
Tovolahy iray hafa koa fantatra amin’ny anarana hoe Lando, 30 taona, no hita faty nananton-tena tao Amparatanagna, Fenoarivo Atsinanana, omaly. Hatairana ny an’ireo mpifanolobodirindrina aminy nahita azy hita faty nihantona tamin’ny tady teo akaikin’ny tranony, saingy tsy nampino ny mpiara-monina aminy izany. Fantatra fa avy any Sambava izy saingy mila ravinahitra ao Fenoarivo Atsinanana. Voalazan’ny mpiara-monina aminy fa manana tovovavy sakaiza tena tia azy i Lando ka tombanana ho misy ifandraisany amin’izany izao raharaha izao.
Sajo/J.C




