Raharaha nahafaty an’i Fidelis Voriolo : migadra mandra-pahafatiny i Berthino

Nomelohin’ny fitsarana hamita sazy mandra-pahafa­tiny i Berthino, raha voasazy 10 taona an-tranomaizina kosa ny namany iray antsoina hoe i Lahadraza. Io ny didim-pitsarana navoakan’ny mpitsara nandritra ny fitsarana raha­raha ady heloka bevava tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toamasina, omaly. Samy niakatra fitsarana avokoa ireo roa lahy voampanga tamin’ity raharaha vonoan’olona ity. Maty nisy nitifitra tao Ankiri­hiry i Fidelis Voriolo, ny 19 janoary 2023. Tratran’ny polisy ny 28 marsa 2023 ireo roa lahy voampanga ireto rehefa nanao asa ratsy hafa indray niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Tao anatin’ny fanadihadian’ny polisy no nahafantarana fa anisan’ireo tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’ity raim-piana­kaviana niharam-boina ity i Berthino sy Lahadraza. Ny fanadihadiana hatrany no nahafantarana fa fianakaviana akaiky ilay raim-pianakaviana ihany i Berthino izay nitifitra ka nahafaty azy. Niray tsikom­bakomba kosa i Lahadraza. Nahiditra vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Amba­lata­voahangy izy roa lahy taorian’ny famotoran’ny polisy ka izao niakatra fitsarana izao. Niaiky ny heloka vitany izy roa lahy teo anoloan’ireo mpitsara mpanao famotorana. Jiolahy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana tao an-drenivohitry ny faritra Atsinanana izy roa lahy. Efa mpamerin-keloka izy ireo saingy mive­rina manohy ny asa ratsiny hatrany.

J.C

Partager sur: