Nahondrana ao Kaomoro : olona telo nahatrarana sokatra 400 isa

Sokatra miisa 400 saron’ny mpitandro filaminana tao Moroni, nosy kaomoro, afakomaly. Nisy olona telo nosamborina ka naiditra am-ponja vonjimaika.

Nampiahiahy ny mpitandro filaminana ao an-toerana ny fisian’ny mpanao trafika. Nosavaina ny trano fonenan’ireo olona nampiahiahy rehefa nahazo loharanom-baovao izy ireo. Na­hitan’ny tomponandraikitry ny filaminana baoritra miisa telo tao amin’ny trano nosavaina. Nosokafana, zana-tsokatra an-jatony no tao anatiny. “Sokatra avy any Madaga­sikara ary nokasaina hoentina hihazo an’i Tanzanie ka hamidy any ireo tratra ireo”, hoy ny nambaran’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Kaomoro, Ali Mohamed Djounaid, tao amin’ny horonantsary “Comores-infos”. Nosamborina avy hatrany ireo olona telo ka atao famotorana lalina.

Roa lahy voasambotra…
Sazy mihatra enim-bolana hatramin’ny dimy taona miampy fandovana lamandy no miandry ireo mpanondrana karazam-biby arovana ireo, hoy ny fanazavan’ity farany. Ankoatra io, roa lahy hafa nahatraran’ny polisim-pirenena sokatra miisa 147 tao amin’ny fokontany Mahavatse II, Toliara, omaly. Nalaina avy any Beloha Androy ireo zana-tsokatra ireo ka nokasaina hamidy. Nosamborina ireo roa lahy tompon’antoka. Efa fanaon’izy roa lahy ireo ny manao izao asa ratsy izao.

Tsiferana R.

Partager sur: