Analakely: jiolahy efatra nandroba 10 tapitrisa Ar

Niharan’ny fanafihan-jiolahy nitondra basy ny mpanakalo vola vahiny nitondra vola 10 tapitrisa Ar teny Analakely, ny zoma teo. Efa nandrasan’ireo jiolahy teo amin’ny pavillon ilay mpanakalo vola…

Lasan’ny jiolahy miisa efatra ny lelavola 10 tapitrisa Ariary, teo Analakely, ny zoma 7 jona teo, tamin’ny 7 ora hariva. Mpanakalo vola vahiny hanatitra “versement” no lasibatra. Nangingina ny manodidina. Hiditra tao amin’
ny tsenambarotra lehibe iray “City Center” ilay mpanakalo vola rehefa nivoaka ny fiara. Nandrasan’ny jiolahy kendry tohina anefa izy. Nipoitra tampoka avy any anatin’ny toerana misy ny pavillon ireo efa-dahy. Voahambana basy ka nampatorian’ireo mpandroba tamin’ny tany. Noteren’ireo olon-dratsy hiankohoka tamin’ny tany koa ny mpiambina teo amin’ ilay tranombarotra. Voaroba avokoa ny vola teny amin’ilay mpanakalo vola.

Tsy nisaron-tava

“Nanao aroloha fampiasa mitondra moto ny roa lahy ta­min’ireo mpanafika. Tsy nisaron-tava ny roa namany ary nitondra antsy”, hoy ny nambaran’ny nanatri-maso. Poa toy izay, nandositra niaraka tamin’ny vola ireo jiolahy. Atsa­sakadiny mahery taorian’ny tranga, nigadona teny an-toerana ny polisy nanokatra fanadihadiana momba io fandrobana io. Tsiahivina, vao ny alarobia hariva teo no nahafatesana jiolahy iray nikasa handroba ramatoa avy naka vola tamin’ny Cash-point, teny Ambondrona.

Tsiferana R.

Partager sur: