Tra-tehaky ny polisy teny Ilafy, kaominina Ankadikely, ny 6 jona teo, ny mpanendaka taxi-moto iray. Nanakana mpanao taxi-moto teny Anosizato ny lehilahy iray, ny 3 jona. Nilaza hoentina eny Androhibe, boriborintany fahadimy izy. Nambanany antsy tampoka anefa ny mpitondra moto. Notereny hamoaka ny vola rehetra teny aminy ny lasibatra. Tsy vitan’io, nalainy ny moto. Afa-niaro tena ilay mpitondra moto ka nandositra io olon-dratsy io. Nametraka fitoriana teny anivon’ny biraon’ny polisy izy. Nanao ny paikady rehetra hanatrarana ilay nahavanon-doza ny mpitandro filaminana. Vokany, tratra teny Ilafy io jiolahy io sy ny moto nangalariny. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy hatao famotorana izy. Naverina amin’ny tompony ny entana halatra.
Tsiferana R.