Ady amin’ny fakana an-keriny: nanao bemidina tany Amparafaravola ny Emmo/Nat

Nitsidika ny kaominina Mo­rarano Chrome, distrikan’Am­parafaravola, ireo solontena avy ao amin’ny Emmo/Nat, ny sabotsy teo. Nomena toromarika ireo mpitandro filaminana miantsehatra eny an-kianja amin’ny hanamafisana ny ady amin’ny fakana an-keriny. « Tanjona amin’izao fidinana ifotony izao ny fanamafisana ny ady amin’ny fakana an-keriny amin’iny faritra iny », araka ny fanazavan’ny mpitarika ny Emmo/Nat, ny Jly Rakotomalala Andriatahina Jean Herbert, notronin’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo; ny tale jeneralin’ny polisim-pirenena, ny Contrôleur général de police, Rakotozanany Dany Marius. Nisy, araka izany, ny fihaonana tamin’ny vahoaka sy ireo tomponandraiki-panjakana ao an-toerana nifampizarana ireo fehinkevitra entina hiadiana amin’ny fakana an-keriny sy ny asan-jiolahy. Teo koa ny fitsidihana ny ivontoeram-pibaikoana amin’ny hetsika “Harato 2” ka nandritra izany no nanomezana toromarika ireo miaramila, zandary ary polisy momba ny paikady hiadiana amin’ny fakana an-keriny. « Takina ny vokatra tsara avy amin’ireo hery fiarovana ka zéro kidnapping no tanjona », hoy hatrany ny lehibe mpitarika ny Emmo/ Nat. Anisan’ireo faritra malaza ratsy amin’ny fakana an-keriny rahateo iny distrikan’Ampa­rafaravola iny. Nanamafy hatrany ny Emmo/Nat fa tsy maintsy fongorana ny mpanao ratsy, indrindra ireo mpaka an-keriny.

J.C

Partager sur: