Raim-pianakaviana iray manodidina ny 35 taona hita faty nihosin-dra tao Antanamalandy, Mahajanga, omaly maraina. Nahitana fantsika nitsatoka teo amin’ny lohany.
Lehilahy efa nitsirara tamin’ny tany no hitan’ny fokonolona tao amin’ny faritry ny fasana Mangatokana, fokontany Antanamalandy, kaominina Renivohitra Mahajanga, omaly maraina tamin’ny 7 ora. Nifono lamba tanteraka ny lohan’io olona io. Nampandre ny manodidina ny nanatri-maso. Nijery ifotony ny zava-nisy ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana sy ny mpitsabo. Nozahana, lehilahy manodidina ny 35 taona io maty io. Tsy nisy taratasy namantarana azy teny aminy. Nozahan’ny mpitsabo ny razana. Feno dian-kapoka ny tarehiny. Niosin-dra ny faritry ny lohany. Notilian’ny mpiasan’ny BMH akaiky, voamarina fa notsatohan’ny nahavanon-doza fantsika ny faritry ny lohan’io lehilahy hita faty io.
Nariana…
Vono olona niniana natao no nahafaty io lehilahy io, araka ny fanadihadian’ny tomponandraikitra nizaha ny razana, omaly. Nanaporofo izany ny ratra hita tamin’ny vatan’ ilay namoy ny ainy. Narian’ireo tsy mataho-tody, araka izany, io raim-pianakaviana io taorian’ny namonoany azy. Nanokatra fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Naterina eny amin’ny tranom-paty miandry ny fianakaviany ny fatin’ilay lehilahy. Hatramin’ny fotoana nanoratana, tsy nisy nahafantatra io olona io ny mponina manodidina ny fasana ao Mangatokana.
Tsiferana R.