Lavon’ny tifitra nataon’ny polisy ny jiolahy roa nanao fanafihana mitam-piadiana teny Ambilanibe, Boriborintany fahefatra, omaly. Narahin’ny mpitandro filaminana maso akaiky ny fihetsik’ireo olon-dratsy ireo. Nikononkonona fanafihana mitam-basy teny amin’ny manodidina ireo olon-dratsy, araka ny loharanom-baovao marim-pototra azon’ny polisy. Nanao vela-pandrika avy hatrany ireto farany. Raikitra ny fifandonana ka tsy tontosa ny fandrobana nokasain’ireo jiolahy hotanterahina. Maty voatifitra ny roa lahy. Nahatraran’ny polisy antsy lava ny iray tamin’ireo roa lavo. Karohina ny naman’izy ireo.
Tsiferana R.