Rotiky ny balan’ny zandary nandritra ny fifandonana, tao amin’ny fokontany Ambaniandrefana sy Antanetibe, kaominina Talata Volonondry, afakomaly, ny jiolahy raindahiny iray. Nahazo fampitam-baovao tamin’olon-tsotra ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talata Volonondry momba ny fisiana andian-jiolahy mikononkonona fanafihana tao amin’ireo fokontany roa ireo. Nidina teny an-toerana ny zandary tamin’io fotoana io. Tsikaritr’ireo jiolahy anefa ny fahatongavan’izy ireo ka raikitra teo ny fifanenjehana. Vokany, lavo ny iray tamin’ireo mpanafika raha tafaporitsaka kosa ireo namany. Nahitana kitapo nisy odiratsy, mohara, sabatra niaraka tamin’ireo entana halatra isan-karazany tany amin’ilay jiolahy maty voatifitra.
Fiara iray nahatrarana gasoala 16 bidao
Nifanehitra tamin’ireo zandary mpanao fisafoana tao Talata Volonondry, ny sabotsy alina teo, koa ny fiara iray nitondra gazoala 16 bidao mavo miaty 20 litatra. Nosakanan’ny zandary ity fiara mampiahiahy ity ka nirosoana ny fanadihadiana ireo olona niaraka tamin’ ireo gazoala ireo. Niaiky izy ireo fa halatra teny amin’ny fiara vaventy mpanamboatra ny lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ireto gazoala ireto. Nitohy ny famotorana ireo olona tao anaty fiara ka niainga avy amin’izany no nahafahan’ny zandary nisambotra ireo mpiasa ao anatin’ny orinasa mpanao ny lalana, mpamoaka ireo gazoala ireo.
J.C