Zon’olombelona : fanandevozana moderina ny fanondranana olona an-tsokosoko

Nanambara ny Mpano­lotsaina voalohany eo anivon’ny masoivoho amerikanina, Tobias Gluksman, nandritra ny lahateniny, omaly, fa “en­drika fanandevozana mo­derina ny fanondranana olona an-tsokosoko no sady fanitsakitsahana ny zon’olombelona”.
Notsipihiny fa vonona ny firenena amerikanina ny hiara-hiasa amin’ny governemanta malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny amin’ny fandraisana fepetra mifanaraka amin’izany.
Voakasik’izany ireo olona, fikambanana sy tambajotra izay manararaotra ka manondrana an-tsokosoko ny zaza amam-behivavy manerana an’izao tontolo izao.
Miara-miasa amin’i Mada­gasikara i Etazonia ao anatin’ny ady amin’ny fanondranana olona an-tsokosoko ary manohana ny paikady nasionaly norafetin’ny governemanta malagasy izay nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy, omaly.
Raha ny tatitra tamin’ny taona 2017 momba ny fanondranana olona, nihemotra ny laharana misy an’i Madaga­sikara ary lasa ao anatin’ny lisitra arahi-maso sokajy faharoa.
Tsy nahafeno tanteraka ireo fenitra farafahakeliny ho an’ny famongorana ny fanondranana olona an-tsokosoko i Madagasikara raha ny tatitra farany tamin’io taona 2017. Na izany aza, manao ezaka goavana hanatrarana izany tanjona izany ny rehetra.

Tatiana A

Partager sur: