Unesco – Lakozia mitety sekoly : nomen-danja ny sakafo malagasy sy ny ankizy

Notanterahina, omaly, te­ny amin’ny zaridainan’An­dohalo ny «Lakozia mitety sekoly». He­tsika niarahan’ny vaomieram-pirenena malagasy mo­m­ba ny Unesco (Com.Nat. Une­s­co) sy ny Haka Fy Authentic Res­tau­rant, hanomezan-danja ny sakafo malagasy sy ny ankizy. Notsiahivin’i Manda Ra­ve­lojaona, S.G. Com.Nat. fa : «mivoy kolontsaina ny sa­kafo. Misy fotony avokoa ny za­vatra ao anatin’ireny taharo ireny. Omeo sehatra amin’ny nahandro sakafo ny ankizy ry ray aman-dreny mba ahafahany mivelatra sy manatsara ary mampitombo ny fahaizany mahandro».
Ankizy 30 avy amina se­koly telo (Pinocchio, Au petit poucet, Eduction For Mada­gas­car) no nandray anjara tamin’ity andiany voalohany ity. Samy nahazo ny laharana voalohany avokoa izy ireo satria samy namiratra teo amin’ny nahandro nataony (tsiro, endrika, …). Nandray anjara mavitrika rahateo tamin’ny fikarakarana ity hetsika ity ny «Réseau des écoles associées de l’Unesco» ao anatin’ny Com.Nat.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: