Fampisehoana ho an’ny ankizy: hiavaka ny «Cirque Momota»

Hisy ny “Cirque Momo­ta”, hetsika ho an’ny ankizy, iarahana amin’i Momota sy ny tariny sy ny «Aléa des possibles». Ny alahady 18 desambra 2022, amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Lapan’ ny kolotsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. “Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny ankizy malagasy . Eo koa ny fanaovana seho tsy fahitan’ny kilonga malagasy ary fanomezana sehatra ny mpanao cirque malagasy”, hoy Ra­lalaharison Tantely, tompon’ andraikitry ny hetsika.
Sambany no hisy fampisehoana tahaka izao ka Ma­la­gasy zato isan-jato no mandray anjara. Momota sy ny tariny fantatra eo amin’ny fampilalaovana ankizy, ny “Aléa des possible” mpanao “cirque”. Hisy koa ny kilalao, hirahira, fampisehoana mampitaintaina sy mampitolagaga no hita ao. Eo koa ny olona miova tarehy ho tahaka ny amin’ny sarimiaina.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: