Ampitatafika: mpanolan-jaza naiditra eny Tsiafahy

Nanolana sady nandrahona ho faty! Ankizivavy 16 taona no naolan’ilay lehilahy nahavanon-doza ka nampidirana azy eny Tsiafahy, afakomaly. Nanampa­ran’io tsy valahara io ny filan-dratsiny ilay zaza tsy ampy taona. Raiki-tahotra noho ny fampitahorana nataon’ilay nahavanon-doza anefa io tovovavy io ka nitondra irery ny zanany tao an-kibo nandritra ny 9 volana. Narian’io tovovavy io teny an’arabe tao Ambohima­havelona, fokontany Malaza, kaominina Ampitatafika, dis­trika Atsimondrano, anefa ilay zanany rehefa teraka. Tsikaritry ny mpandalo ny fisian’io zazamenavava nisy nanary io ka avotra soa aman-tsara. Natao famotorana ny renin-jaza. Nam­barany fa vohoko tsy niriany velively io zaza io. Ny fanola­nana nihatra taminy no nahazoany azy. Naterany irery ilay zaza ka io nariany io rehefa tsy nisy nanampy azy ny manodi­dina. Voatonona tamin’ny famotorana ilay lehilahy nanao ny fanolanana ka nokarohina. Voasam­botra izy ary niaiky heloka. Niakatra fampanoavana ny raharaha. Naiditra vonjimaika eny Tsiafahy miandry ny fotoam-pitsarana azy io mpanolana io.

Tsiferana R.

Partager sur: