Karohina ny tompon’antoka tamin’ny fanariana zana-tsokatra an-jatony teny amin’ny lalana mihazo ny kaominina Sabotsy Namehana, afakomaly. Efa nofonosina harona plastika, ahina ho saika nahondrana ireo biby arovana ireo.
Hitan’ny zandary teo amoron-dalana, teo amin’ny toerana antsoina hoe Vavafolo, fokontany Iadidiana, kaominina Sabotsy Namehana, ny sabotsy maraina tamin’ny 3ora sy 30mn ireo zana-tsokatra miisa 342 (Astrochelys Radiata). Nandritra ny fisafoana nataon’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Sabotsy Namehana no nahitana izany, nisy nanary. Nandritra ny fizahana nataon’ny zandary teny an-toerana no nahitana fa mifono selofanina ireto zana-tsokatra ireto. Tsy hita ny olona nanary azy ireto na efa natao aza ny fisavana ny manodidina. Nentina teny amin’ny biraon’ny tobim-paritry ny zandary ireo biby ary nampandrenesina ny tale eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana ao Nanisana Antananarivo haka ireto biby arovana ireto. Mitohy, araka izany, ny fikarohana ataon’ny zandary amin’izay mety ho tompon’antoka amin’izao fanaovana trafikana sokatra izao. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.
Miseholany
Nirongotra ny fahatrarana olona mpanondrana sokatra na teto an-toerana na hatrany ivelany tao anatin’ny herinandro vitsy lasa. Anisan’izany, ny fisamboran’ny mpitandro filaminana kaomoriana olona telo tao amin’ny nosin’izy ireo, ny 6 jona teo. Sokatra avy eto Madagasikara nokasaina haondrana any Tanzania ireo tra-tehaka ireo. Ankoatra io, manao ny fomba rehetra hampodiana ireo biby arovana saron’ny mpitandro filaminana any Thaïlande, ny fanjakana malagasy.
J.C