Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina: mpianaka niara-namoy ny ainy

Niara-maty ny zazalahikely vao fito taona sy ny reniny, omaly. Voafaokan’ny taksiborosy ny Tuc-tuc nitondra azy ireo. Mafy ny fifandonana, samy nivadika ireo fitaovam-pitaterana.

Niara-namoy ny ainy ny zazalahy fito taona sy ny reniny tao Ambolo­madinika, Toamasina Reni­vohitra, omaly maraina. Tra-doza teny ampitaingenana Tuc-tuc izy mianaka. Nivoaka tampoka ny fiara taksiborosy niloko manga ka nifaoka tampoka azy ireo. Mafy ny fifandonana. Samy nivadika ireto fitaovam-pitanterana roa tonta. Voa mafy anefa ilay ramatoa sy ny zanany lahikely. Voadona mafy tamin’ny loha. Tsy nahatsiaro tena ilay zaza. Nentina namonjy ny hopitaly avokoa ireo naratra. Tsy tana anefa ny ain’ilay ankizilahy. Niala nenina, notsaboina teny amin’ny hopitaly ny reniny. Niala maina anefa ny mpitsabo teo anivon’ny hopitaly manara-penitra Mo­rafeno. Nanampy trotraka ny ratra, ny fahatairana noho ny loza nahafaty an-janany. Marihina fa vao 38 taona ity renim-pianakaviana nindaosin’ny fahafatesana ity. Ankoatra ireo mpianaka na­moy ny ainy, tsaboina eny anivon’ny hopitaly ao an-toerana ny mpamilin’ilay Tuc-tuc tra-doza. Maratra mafy ihany koa izy. Mbola nisy zaza roa taona koa niaraka tamin’izy ireo saingy tsy misy atahorana.

Tsy nitandrina
Araka ny loharanom-baovao, nikasa hamoaka ilay taksiborosy ny mpanampy mpamily. Tsy za-draharaha amin’ny asa ka tsy nahatana tampoka ny familiana ny fiara. Nifatratra tamin’ilay Tuc-tuc ny Mazda nentiny. Vokany, lozam-pifamoivoizana mahatsiravina namoizana ain’olona izao.
Mandray an-tanana ny fanadihadiana momba ity raharaha ity ny tomponandraikitry ny filaminana ao Toamasina, indrindra ny eo amin’ny brigady misahana ny lozam-pifamoivoizana eo anivon’ny polisim-pirenena. Efa eny anivon’ny fianakaviany, ao Tanamborozano ny vatana mangatsiakan’izy mianaka.

Tsiferana R.

Partager sur: