Fototry ny tsy fandriampahalemana, nataon’ny zandary hazalambo ka voasambotra ny lehilahy iray mpivarotra fitaovam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambonivato, kaominina ambanivohitra Ambodimanga II, distikan’i Fenoarivo Atsinanana. Manoloana ny fanafihana mitam-piadiana mitranga ao amin’io distrika io, namolavola paikady hanatrarana ireo mitam-basy tsy ara-dalàna ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Naharay loharanom-baovao izy ireo fa ahina ho mitana fitaovam-piadiana mahery vaika ny lehilahy iray fantatra amin’ny solon’anarana hoe Voalavo. Nidina ifotony tany amin’ny fokontany Tanambavy, fonenan’io olona nahiahiana io ny zandary. Tra-tehaka tao aminy ny basy PA iray marika MAB niaraka amin’ny fitoeram-bala iray. Nanana bala miisa 5 amin’ny karazany 9 mm koa io lehilahy io. Nihazona basy Calibre 12 iray natao tanana koa izy. Tsy nisy taratasy fahazoan-dalana hihazona ireo fitaovam-piadiana ireo tao amin’io lehilahy io. Nogiazana ireo basy miisa roa sy ny bala. Nentina natao famotorana izy.
Noteren’ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny fanadihadiana nilaza izay olona nividianany ireo fitaovam-piadiana ireo io lehilahy io. Niaiky heloka ary nitoroka ny tompon’antoka tamin’ny nahazoany izany izy. Natao ny vela-pandrika. Sarona tao amin’ny lanonana tao Ambonivato ilay nivarotra ny basy. Namidin’ity farany 6 hetsy Ar io basy PA io. Ahina ho tompon’antoka amin’ny tranga fanafihana mitam-piadiana anatin’io kaominina io izy roa lahy ireto. Atolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana azy ireo voasambotra.
Tsiferana R.