Notanana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray nanao mpimasy sandoka tao Mahajanga, omaly. Tsy vitan’ny nisoloky, mbola naolan’ny lehilahy iray mitono-tena ho mpimasy koa ny zazavavy 14 taona, zanaky ny fianakaviana iray nosolokiany tao Mahajanga. Nampanantenain’io lehilahy io fa hahazo fahasoavana lehibe io fianakaviana nosolokiany io. Namidin’ny lasibatra avokoa ny entana rehetra tao an-trano hatramin’ny lamba teny an-koditra. Niarahan’ilay mpimasy koa ny zazavavy 14 taona tao anatin’ilay fianakaviana. Naharay fitarainana momba io tranga io ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona ka tratra ilay rangahy.
Tsiferana R.