Cash point voatafika : vehivavy iray naratra, lasa ny vola sy finday miisa 12

Voasambotry ny polisy ilay lehilahy nandroba vehivavy mpanao «Cash point» tao Tsiroanomandidy. Mbola tratra teny aminy ny vola 3 tapitrisa Ar sy finday 12 isa norobainy.

Tsy lasa alavitra akory! Tra-tehaky ny polisim-pirenena, ny zoma teo tokony ho tamin’ny 05 ora hariva ilay lehilahy nanafika Cash point tao Tsiroano­man­didy. Nitranga Tao Tanam­bao Mangarivotra. Tamin’io fotoana io, norobain’ireo olon-dratsy ilay vehivavy 30 taona mpiasa tao amina “cash point”. Voatafika sady noratrain’ireo jiolahy izy teo am-panidiana ny varavaram-piasany. Vokany, naratra mafy ny tenany no mbola lasan’ireo tsy mataho-tody koa ny zavatra teny an-tanany niaraka tamin’ny vola mitentina 3 tapitrisa Ar. Nisy nahita ity zava-doza ity ka nalefa vonjimaika teny amin’ny hopitaly ilay vehivavy. Nampadrene­sina ihany koa ny mpitandro filaminana.

Sarona niaraka tamin’ny vola
Raikitra ny fikarohana. Niara-nisalahy ny polisim-pirenena sy ny fokonolona nitady ireo nahavanon-doza. Vokany, voasambotra ny lehilahy iray, 25 taona voatondro ho nanao ny asa ratsy. Mbola tratra teny aminy koa ny sakaosy nisy ireo finday miisa 12 sy ireo vola voaroba. Nisy nahafantatra ny lehilahy. Voa­laza ho mipetraka any An­dranomadio, Tsiroanoman­didy ny lehilahy ka nalefa teny amin’ny biraon’ny polisy avy hatrany nanaovana fanadihadiana. Etsy ankilany, na­verina tamin’ny tompony ireo zavatra very. Mbola mitohy manaraka izay ny famotorana sy fikarohana ataon’ny polisim-pirenena miasa any an-toerana.

Henintsoa Hani

Partager sur: