Nidiran’ny roa lahy antsokosoko ny trano fonenan’ny filohan’ny Fikambanana mpanao gazety ao Toamasina (AJT), tao amin’ny fokontany Analakininina, Hopitaly Be, parisela 12/21-22, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia 19 jona teo. Namita iraka ivelan’i Toamasina ny filohan’ny fikambanana ka tsy tao an-tranony. Finday maromaro an’ny vady aman-janak’ilay mpanao gazety lasibatra sy kitapo iray misy antotan-taratasy no lasan’ny olon-dratsy. Nifanindran-dalana tamin’io tranga io, naharay fiantsoana hiatrika famotorana ny mpanao gazety an-tsoratra iray noho ny fitorian’ny préfet an’i Toamasina teo aloha azy. Tontosa soa aman-tsara, omaly, ny famotorana ilay mpanao gazety an-tsoratra. Naharitra adim-pamataranandro roa ny fanadihadiana azy.
Sajo.