Latsaka tanaty lavaka : zandary maty, ilay zaza avotra!

Nitady toerana avo hiantsoana amin’ny finday, nilatsaka tampoka tao anaty lavaka ny zandary mpiana-draharaha, tao Ankazobe. Namoy ny ainy izy.

Maty tampoka rehefa nilatsaka tsinahy tao anaty lavaka ny zandary mpiana-draharaha iray, omaly. Tao amin’ny fokontany Ambohimanarina, kaominina ambanivohitra Ambolo­tara­kely, distrikan’Ankazobe no nisehoan’izany. Nalefan’ny lehibeny nanao fisafoana teny amin’io fokontany io izy. Mizatra asa ao amin’ny CSAO Antananarivo, saingy nalefa manampy isa ny zandary miasa ao Ambolotarakely izy sy ny mpiray andiany aminy.
Toerana mijaly “réseau” ny kaominina Ambolotarakely. Nitady toerana nahafahana miantso an-telefaonina izy no tra-doza tampoka. Takon’ny bozaka, tsy tsikariny akory ny lavaka nifanandrify tamin’ny tongony. Nianjera izy, nitarika tamin’ny tsy fahatsiarovany tena. Noezahina novonjena, saingy tsy tana ny ainy.

Zaza nifamonjena

Nitrotro zazakely ity zandary mpiana-draharaha ity tamin’ny fotoana nitrangan’ny voina. Niara-nianjera tao anaty lavaka izy mianaka. Nokasohan’ny tany, naratra ny lohan’ilay zaza. Tsy nahiana kosa ny fahasalamany. Nentina nihazo ny toeram-pitsaboana ireo niaram-boina. Niezaka namonjy azy mianaka ny mpiara-miasa, nitondra maika azy niakatra tany Ankazobe, 60 km miala an’Ambolotarakely.

Tsiferana R.

Partager sur: