Kestora Henri Jean-Michel : “Madio ny fitantanana ato amin’ny Antenimiera”

Namaly ny resabe. Nitondra fanazavana momba ny fitantanana eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny kestora I, ny depiote Jean Michel Henri.

“Hatramin’ny 2019 ka hatramin’izao, eo an-tanany avokoa ny taratasy fanamarinan’ ny vaomieran’ny fitantanam-bola. Madio sy mangarahara ny fitantanana ato amin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny kestora voalohany eny anivon’ny Antenimierampi­re­ne­na, ny depiote Jean-Michel Henri, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ma­noloana ny resabe momba ny fitantanam-bola amin’io andrimpanjakana io.
Hanao tatitra indray mandeha ny amin’ny fitantanam-bola, taona 2022, izy amin’ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ny taona 2023. Iangaviana ny depiote ho tonga amin’izany. Tsy mampaninona azy na tsy tokony hanao tatitra amin’ny depioete aza izy fa amin’ny vaomie­ran’ny fitantanam-bola ihany.
Ny vaomieran’ny fitantanam-bola no anaovany tatitra momba ny fitantanam-bola isan-taona. Nahazoany taratasy fanamarinana avokoa iza­ny. Raha tsy ampy izay tatitra izay, entina any amin’ny fivoriana itambarambe ny adihevitra. Amin’izany no hanapahana hevitra na mbola handray ny asany izy na tsia, araka ny fanazavany.

Tsy araka ny noeritreretina ny tetibola azo
Tsy ny tetibola niaingana no nojerena, fa ny tetibola lany izay 65 miliara Ar tamin’ny taona 2021. Tamin ity taona ity 79 miliara Ar, araka ny fanazavany ihany. Tsy araka ny noeritreretina hoe misy 40 miliara Ar amboniny, fa 13 miliara Ar izany no amboniny mitaha tamin’ny 2021. Tamin’io 13 miliara io, 8,5 miliara Ar nanampiana ny karama fa niakatra 7% izany tamin’ny taon-dasa. Tsy ma­in­tsy naverina nampidirana ta­min’ity taona 2022 izany. Ao ny “avancement”-n’ny mpi­asa, ny mandeha misotro ro­no­no, ny fandaminana ny ki­lasin’ny mpiasa… Niteraka ny fitomboan’ny fandaniana amin’ ny karama izany rehetra izany, dia mahafeno ny volan’ ny Antenimierampirenena. Man­­dray karama rehetra ha­traty amin’ny volana desambra ny mpiasa sy ny mpanampy parlemantera ary ny depiote.

R. Nd.

Partager sur: