Nitohy tany Mangarivotra Tsiroanomandidy, ny kongresim-paritry ny Tim, ny faran’ ny herinandro teo. Tafiditra koa amin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny antoko izany. Nambaran’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc tamin’izany fa efa hikatona tsy ho ela ny fanisana ny mpifidy, amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nazava ny toromarika nomeny tamin’izany. “Entanina ireo mpikambana sy ireo olona rehetra tonga taona mba hanoratra ny anarany. Mila mailo isika, ka hanara-maso ny fanavaozana ny lisi-pifidianana. Mety hisy ny hosoka sy fampidirana olona tsy ao amin’ny fokontany na ankizy tsy ampy taona amin’ izany”, hoy izy. Nanteriny fa ilaina ny fahasahiana sy ny fandraisana andraikitra. Nambarany koa fa omena sehatra manokana ny vehivavy sy ny tanora ao anivon’ny antoko. “Tsapa fa sahy sy mino, ary mijoro isika aty Bongolava”, hoy izy.
Synèse R.