Fialan-tsasatry ny fitsarana : misy hatrany ny fiandrasan-draharaha

Hanomboka anio ary hifarana ny 15 janoary 2023 ny fialan-tsasatra eny anivon’ny fitsarana, Antananarivo. “Mi­so­katra hatrany anefa ny fitsarana. Na eo anivon’ny fampanoavana izany, na eo anivon’ny firaketan-draharaha hahazoana mampiditra an’ireo raharaha rehetra heverina fa tokony hapetraka eny amin’ny fitsarana”, hoy ny lehiben’ny firaketan-draharaha, Antananarivo, ny Me Herinatrehana Inham Ella, teny Anosy, ny herinandro teo.
Misokatra ihany ireo sampandraharaha na fangatahana fampiakaran-draharaha amin’ ny fitsarana ambony na fangatahana fanoherana, ny fangatahana taratasy fitanisan-tsazy (casier judiciaire), ny fanamarinana ny fizakana zom-pirenena, ny fangatahana didy hitsivolana.. Tsy misokatra isan’ andro anefa ireo. Misy ny lamina ny andro sy ora iasan’ izy ireo. Voafetra ihany ny raharaha mandeha. Ny 15, ny 20, ny 22 sy 27 ary ny 29 desambra ary ny 3, ny 5 sy ny 10 ary 12 janoary ny fitsarana ny raharaha tratra ambodiomby. Handaminana ny asa sy hamitana an’ireo vary mangatsiaka na hiatrehana ny taom-pitsarana vaovao ny fialan-tsasatra.

R. Nd.

Partager sur: