Nifampitifitra tamin’ny polisy, jiolahy efa-dahy lavon’ny balan’ny SAG teny amin’ny Art malagasy, ny faran’ny herinandro teo.
Ravan’ny polisy ny asa ratsy nataona fikambanan-jiolahy teny Ambohitrimanjaka, ny zoma 21 jona teo. Naharay loharanom-baovao ny ekipan’ny polisim-pirenena eo anivon’ny Sag fa misy andian-jiolahy mitam-basy mikasa hanao fanafihana eny amin’ny manodidina ny Art malagasy. Nanao fanamiana sivily, nidina teny an-toerana nitily lavitra ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny izy ireo. Nikoropaka nanao tari-dositra avy hatrany anefa ireo jiolahy rehefa nanatonan’ny polisy. Namoaka fitaovam-piadiana ny polisy. Namaly ny fisamborana azy ireo mpandroba ka maty voatifitra ny efatra.
Basy sy antsy
Nahatrarana fitaovam-piadiana mahery vaika, toy ny basy, teny amin’ireo efa-dahy lavon’ny balan’ny Sag ireo. Mitohy ny paikady entin’ny mpitandro filaminana hamongorana ireo jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana ho an’ny eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Anisan’izany, jiolahy raindahiny fantatra amin’ny solonanarana “Dodol”, ny sabotsy 15 jona lasa teo, no tratra. Anisan’ny mpanao fanafihana mitam-piadiana teny amin’ny manodidina izy.
Tsiferana R.