Jiolahy roa lahy voasambotry ny zandary tao amin’ny fokontany Ambohimandroso, kaominina ambanivohitra Mahereza, omaly. Nahafantatra ireo olon-dratsy fa irery tao an-trano ny renim-pianakaviana. Nandondona ny varavarana izy roa lahy tamin’ny 11 ora alina. Nisoloky ireo mpandroba. Mody nilaza hanatitra ilay rangahy mamo izay vadin’io ramatoa io ireo roa lahy. Namoha ny varavarana, araka izany, ilay renim-pianakaviana. Norahonan’ireo mpangalatra avy hatrany izy. Tsy afa-namaly, nokorotanin’ny jiolahy ny trano ka lasany ny vola mitetina 260 000 Ar. Niantso vonjy io ramatoa io taorian’ny tranga. Nidina ifotony ny zandary miasa ao an-toerana. Nanokatra fanadihadiana ka nikaroka ireo olon-dratsy. Lehilahy roa voasambotra. Voamarina tamin’ny alalan’ny famotorana fa tompon’antoka tamin’ny fandrobana ireo roa lahy ireo. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha.
Tsiferana R.