Tangorom-bohitra Andriry- Milamy: hamafisina amin’ny tetikasa vaovao ny fandriampahalemana

Nampahafantarina tany Iakora ny tetikasa vaovao hanamafisana ny fandriampahalemana maharitra iraisan’ny rehetra ao amin’ny tangorom-bohitra Andriry-Milamy, distrikan’i Betroka. Malaza ho toerana fieren’ny dahalo (malaso) io tangorom-bohitra io ary mahasahana faritra efatra manomboka any avaratra ka hatrany atsimo: Ihorombe, Atsimo Atsinanana, Anosy ary Androy. Toerana miavaka amin’ny fiompiana omby eny an-kijana io faritra io ka mampiroborobo ny halatra omby. Niteraka fanilikilihana avy amin’ny vondron’olona hafa mipetraka manodidina ny zava-misy satria voaendrikendrika ho malaso ireo mponina ao amin’ny tangorom-bohitr’Andriry-Milamy. Mitoka-monina rahateo ilay vohitra fa tsy manana fotodrafitrasam-panjakana ka niteraka tsy fahatokisan’ny mponina ny mpitandro filaminana.

Nahatsapa ny Firenena mikambana fa ilaina ny mametraka fandriampahalemana iraisan’ny rehetra sady mamaly ny filan’ny vahoaka. Natomboka ny taona 2016 izany ho an’ny distrikan’i Betroka. Iarahan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud) sy ny OIM ity tetikasa vaovao ity.

Hotanterahina mandritra ny 36 volana ary hanokanana vola mitentina 3 749 998 dolara. Hoentina Manamafy ny asa rehetra efa natao ho fitandroana ny fandriampahalemana ny sora-bola. Tanjona ny hampandraisana anjara ny rehetra, hisian’ny fandriampahalemana maharitra ka hampidirana ao ireo vondrona voahilika hatramin’izay.

Ho fanamorana ny tetikasa, hamboarina ny lalana mampitohy an’Ivahona amin’ny Begogo, hanamorana ny fifankalozana sy ny serasera samihafa.

Vonjy

Partager sur: