FMI: vinavinaina hitombo 200 Ar isaky ny litatra ny vidin-tsolika

Azon’i Madagasikara ny fampindramam-bola mitotaly 658 tapitrisa dolara avy amin’ny FMI, ao anatin’ny Fec sy ny FRD. Anisan’ny fepetra horaisin’ny fanjakana, ny fampiakarana ny vidin-tsolika hanakaiky ny tena vidiny eo amin’ny tsena iraisam- pirenena.

Nankatoavin’ny filankevim-pitantanan’ny Tahirimbola iraisam-pirenena, tany Washington Etazonia, ny 21 jona teo, ny famatsiam-bola 337 tapitrisa dolara ho an’ny Fampindramam-bola nohamoraina (Fec) sy 321 tapitrisa dolara ho an’ny Fampindramam-bola nohamoraina hiatrahena ny fiovan’ny toetr’andro (FRD). Hampiasaina mandritra ny 36 volana ireo vola ireo, ka hivoaka avy hatrany ny 48 tapitrisa dolara avy amin’ny Fec. Misy ny fepetra maromaro mifanaraka amin’ireo famatsiam-bola ireo. Nilaza ny solontenan’ny FMI eto amintsika, Benlamine Mohktar, ny sabotsy 22 jona teo, fa mila ampifanarahana amin’ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena ny eto Madagasikara. Tsy tokony hihoatra ny 200 Ar isaky ny litatra anefa izany raha misondrotra ny vidiny, ho an’ny lasantsy sy ny gazoala.

Anisan’ny ezaka mila ataon’ny fanjakana malagasy ihany koa ny fametrahana Drafi-panarenana ny orinasa Jirama, hampihenana tsikelikely ny fanampiana ara-bola azy. Tanjona  mba ho latsaky ny 60% miohatra amin’ny harinkarena faobe (PIB) ny trosam-panjakana. Hamafisina ny ady amin’ny kolikoly, hatsaraina ny fitantanam-bolam-panjakana ao anaty mangarahara. « Hanokatra ny lalana ahazoantsika ny fahatokisan’ny mpamatsy vola hafa ny fiaraha-miasa amin’ny FMI », hoy ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra.

Tontolo iainana

Ho hampiasaina hiatrehina amin’ny fiovan’ny toetr’andro ny famatsiam-bola FRD. Ho hampidirina ao ny fitantanana sy ny fampiasam-bolam-panjakana. Hamafisina ny fiatrehana ny loza voajanahary, ny fampiatoana ny fiparitahan’ny entona karbona, ny fiarovana ny ala voajanahary sy ny tontolo mananaina. Manohana antsika amin’izany koa ny Banky iraisam-pirenena.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: