Nofatoran’ny telo lahy sady novelesina tamin’ny biriky ny mpiambina tanàna misy fiompiana kisoa, maty tsy tra-drano, tao amin’ny fokontany Ambohitrandriamanjaka, kaominina Ambohimanga Rova.
Nofatoran’ny telo lahy sady novelesina tamin’ny biriky ny mpiambina tanàna misy fiompiana kisoa, maty tsy tra-drano, tao amin’ ny fokontany Ambohitrandriamanjaka, kaominina Ambohimanga Rova.
Hita faty tao anatin’ny toerana mifefy tamboho ny mpiambina amina tanàna iray tao Ambohimanoa, fokontany Ambohitrandriamanjaka, kaominina Ambohimanga Rova, ny marain’ny 20 jona teo. Nanara-maso ny biby fiompin’ny mpampiasa azy izy ny alina, araka fitantaram-badiny. Niditra ny trano tamin’ny 3 ora maraina kinanjo niditra an-keriny tampoka ny jiolahy telo lahy. “Lehilahy mainty ranjanana ny iray ary vaventy fotsy hoditra mihinina paraky ny namany”, hoy io ramatoa io. Nosaritin’ireo olon-dratsy ireo nivoaka ny trano ilay mpiambina. Nofatorany teo amin’ny tenda ary nodarodarohany tamin’ny biriky. Tsy hita intsony taorian’io ny toerana nasian’ireo jiolahy ilay mpiambina.
Nomeny poizina
Nopoizinin’ireo mpandroba avokoa ny renin-kisoa roa tao anaty vala. Norasarasain’ izy ireo tamin’ny antsy, nentiny avokoa ny loha sy ny vodiny tamin’ireo kisoa ireo. Najanony ny ampahany maro tamin’ireo kisoa. Nitsoaka nandositra ireto farany taorian’io asa ratsy io. Niantso vonjy tamin’ny manodidina ny vadin’ilay mpiambina. Nahare ny zava-nisy, vory tao anatin’ny minitra vitsy ny fokonolona manodidina. Niantso ny mpitandro filaminana miasa ao an-toerana ny tomponandraikitra. Tsy hita popoka ilay mpiambina ka nokarohina teo amin’ny manodidina. Hita tao anaty tanàna iray nifefy tamboho tsy lavitra ny vatana efa nitsirara, tsy nisy aina intsony. Manokatra fanadihadiana hikarohana ny nahavanon-doza ny zandary.
Tsiferana R.