Voasambotry ny zandary ny lehilahy nihazona vola sandoka mitetina 4 380 000 Ar tao Sambava, afakomaly.
Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny mpisoloky iray nahatrarana vola sandoka an-tapitrisany tao amin’ny tanànan’Analamandrorofo, distrikan’i Sambava, afakomaly. Nitondra vola io lehilahy io ka nanatona banky iray tao an-toerana. Nilaza hametraka io volany io ao amin’ilay banky izy. Namoaka ny vola, tsikaritry ny mpiasa tamin’ilay toerana fa sandoka ny ankamaroan’ireo vola nomena azy. Nandrebireby ilay mpiasa anefa ilay mpisoloky. Niezaka niantso mpitandro filaminana avy hatrany ilay mpiasa. Nijery ny zava-nisy, nanamarina ny vola voalaza fa sandoka ny zandary. Voaporofo tamin’ny alalan’ ny famotorana izany. Nahatratra 4 tapitrisa Ar mahery io vola sandoka io. Nogiazana ny vola. Nentina natao famotorana ilay tompony.
Roa hafa…
Niroso tamin’ny fanadihadiana lalina momba ny fihazonan’io lehilahy io vola sandoka, ny mpitandro filaminana. Niaiky heloka, nanoro ireo olona roa hafa voalaza fa mpiray tsikombakomba mivantana tamin’ny fikirakirana ireo vola sandoka an-tapitrisany ireo ilay lehilahy. Tra-tehaky ny zandarimaria koa ireo olona roa ireo. Vokany, tafakatra telo ireo olona voasambotra tamin’ity raharaha vola sandoka ity. Andrasana ny tohin’ny fanadihadiana. Marihina fa voararan’ny lalàna ary miafara amin’ny fitazomana am-ponja sazy mihatra ny fanaovana vola sandoka.
Tsiferana R.