Dahalo raindahiny iray, tompon’antoka tamin’ny fandrobana omby nahafatesana olona, voasambotry ny zandary sy ny fokonolona tao amin’ny kaominina Antanimieva, distrika Morombe, afakomaly. Nokarohina taorian’ny fanafihana herinandro vitsy, naharay loharanom-baovao nirakitra ny mombamomba io dahalo io ny mpitandro filaminana. Nanao ny fomba rehetra nisamborana azy izy ireo. Nanampy tosika ny fokonolona. Nifanenjehana tany anaty alan’akondro anefa io dahalo io satria nitsoaka. Nitoroka ireo namany izy taorian’ny fisamborana azy. Lehilahy miisa enina hafa notononiny anarana. Mpitarika azy ireo tamin’ny fanafihana niharo vono olona ny iray. Mamolavola paikady hanatrarana ireo dahalo mpiara-miasa amin’ity voasambotra ity ny zandary ao an-toerana. Atao andrimaso ao amin’ny tobim-paritry ny zandary ao Befandriana Atsimo kosa io olon-dratsy voasambotra io.
Tsiferana R.