Fifamonoana tao amin’ny Oniversite: mpianatra iray voa mafy teo amin’ny lohany

Mpianatra miisa fito, eo anivon’ny Oniversiten’Antsi­ra­na­na, naratra vokatry ny daroka sy vono nifanaovan’
izy ireo, ny alin’ny 26 jona teo. Mpianatra avy any Mandri­tsara ny dimy tamin’ireo voa mafy raha toa ka roa avy ao Antsohihy. Samy nisotrosotro nandritra ny fankalazana ny fetim-pirenena ireo mpianatra ireo. Nanom­boka nikotaba anefa ny ankizy sasany noho ny tsy fifankahazoan-kevitra sy ny lonilony teo amin’ny samy mpianatra. Ivontoerana manokana misy ireo mpianatra avy ao amin’ny faritra Sofia rahateo no nisy azy ireo. Raikitra ny fifampikasihan-tanana. Nanakorontana ny trano ireo mpianatra izay efa samy tao anatin’ny hamamoana avokoa. Nandoro ny boky sy ny kahie tao amin’io trano fatorian’izy ireo io ny mpianatra sasany. Vokany, naratra vokatry ny daroka sy ny vono ny mpianatra miisa fito. Voa mafy teo amin’ny lohany ny mpianatra iray avy any Antso­hihy. Niditra an-tsehatra tamin’ny fandaminana ny zava-nitranga ny tomponandraikitra eo anivon’ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra Antsiranana. Nalefa eny anivon’ny hopitaly manara-penitra ireo mpianatra tena voa mafy. Niverina amin’ny laoniny ny filaminana taorian’izay. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R.

Partager sur: