Nahitana fidinana ny tahan’ny olona nanatona toeram-pitsaboana nandritra ny fankalazana ny roa andron’
ny fetim-pirenena teo, raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Nahatratra 194 ireo olona tonga nizaha fahasalamana teny anivon’ny Sampana vonjy taitra, tetsy amin’ny hopitaly HJRA. Miisa dimy ny olona maty, izay efatra maty tamin’
ny 25 jona, ary iray maty tamin’ny 26 jona, raha ny tatitra voaray teo anivon’ny HJRA, omaly. 36 kosa ireo tsy maintsy nahiditra hopitaly. Raha ho an’ny teo anivon’
ny Sampana vonjy aina indray, 29 ny olona tonga nizaha fahasalamana. 19 ireo tsy maintsy nahiditra hopitaly.
10 ireo olona nandalo ary telo no maty. Nahatratra
55 ireo olona naratra vokatry ny loza teny anivon’ny fiarahamonina. 39 ireo olona naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana.
Ankoatra izay, enina ireo olona narary vokatry ny fisotroana zava-pisotro diso tafahoatra nandritra ireo fety ireo. Olona roa tratran’ny fanapoizinana ara-tsakafo, izay vehivavy iray sy lehilahy iray. Vehivavy iray tratran’ny aretin’ny fahatapahan’ny lalandra. “Amin’ny ankapobeny, vokatry ny tsy fitandremana avokoa ny antony nahatonga ny loza”, hoy Ratovondrika Evah, ekipa teknika sy serasera eo anivon’ny HJRA.
Mino