Miami Toamasina: misy misoloky 85 tapitrisa Ar ny Box

Tohivakana ny fisamborana! Taorian’ny fitokanan’ny filohan’ny Repoblika ny Miami ao Toamasina, ny 15 jona 2024 teo, mahazo vahana ny fisian’ny hosoka, kolikoly, fisolokiana momba ny filazana fa afaka mivarotra sy mahazo ireo box ao Miami. Nozaraina tamin’ireo sokajin’olona nahazo azy ara-dalàna izany ka vaky bantsilana teo ny resaka. Efa nandoa vola 85 tapitrisa Ar tamin’ireo mpiasan’ny kaominina ny mpandraharaha iray. Vaky ny nafenina satria niezaka nanafina izany ny mpiasan’ny kaominina voarohirohy tamin’ity resaka volabe ity. Tsy niditra tao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina anefa io vola io. Niezaka ny hifampiraharaha hamerina ny vola ireo mpiasa voarohirohy saingy tsy tontosa izany. Efa tonga teny anivon’ny fiadidiana ny Repoblika rahateo ny raharaha. Vokany, voarain’ny polisy misahana ny ady heloka bevava ny didy fisamborana ireo mpiasan’ny kaominina ao Toamasina Renivohitra, ny alatsinainy teo. Voarohirohy amin’ity raharaha maloto ity izy ireo. Ranolava, araka izany, ny fisamborana ireo voasaringotra, nanomboka ny alaka­misy hatramin’ny omaly. Man­deha ny famotorana ireto olona ireto. Raha ny tombana, hanao tohivakana ny fisamborana eo anivon’ny kaominina. Hatolotra ny Pac (Pole anti-corruption) tsy ho ela, araka izany, ny raharaha aorian’ny famotoran’ny polisy.

Sajo/J.C

Partager sur: