Naratra notifirin’ny jiolahy ny lehilahy 21 taona mpanao Cash point tao Toamasina, ny 25 jona teo. Naratra mafy, manaraka fitsaboana eo anivon’ny hopitaly izy. Lasa ny vola rehetra.
Nitrangana fanafihana mitam-piadiana naharatrana olona indray tao Tsarakofafa, distrikan’i Toamasina I, ny 25 jona teo, tamin’ ny 6 ora sy 35 minitra. Handeha hody, nosakanan’ny jiolahy mitam-basy ireo mpianaka teo amin’ny fiangonana iray anatin’io fokontany voalaza io. Nanda hanome ny vola anefa ny zanak’ilay ramatoa mpanao Cash point. Namoaka basy, nanapoaka izany avy hatrany ilay jiolahy. Nandroba ny telefaonina rehetra teny amin’izy mianaka. Nitotaly sivy ireo finday lasa. Ankoatra io, notifirin’ny olon-dratsy teo amin’ny feny ilay zanak’ilay ramatoa. Naratra mafy ity farany.
Lasa ny Versement
Ho takalon’ny tsy fanesorana ny ain’io lehilahy io, nanolotra ny vola maty rehetra tao anatin’ny iray andro izy mianaka. Nandrahona ireo lasibatra tsy hiantso vonjy io olon-dratsy io. Ahina ho efa tetika maty paika ity niandrasan’ny jiolahy azy mianaka tamin’ny ora fodiany ity. Nitsoaka nandositra niaraka tamin’ny vola sy ny finday nangalariny io mpandroba io taorian’izay. Niantso ny manodidina taorian’ny loza ny renin’ ilay naratra. Nentina namonjy hopitaly ao amin’ny CHU Morafeno ilay lehilahy 21 taona voa mafy teo amin’ny feny. Manaraka fitsaboana ity farany amin’izao fotoana izao. Karohina ireo nahavanon-doza. Nahitana piti-bala 9 mm teo amin’ny toerana nitrangan’ny fanafihana.
Tsiferana R.