Natolotra ny fampanoavana, afakomaly, naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo olona roa (lehilahy sy vehivavy) malaza ratsy amina halatra moto. Ireo polisy miasa ao amin’ ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa (CSP2) Ambohijatovo no nahasambotra ireto mpangalatra moto ireto. Araka ny tatitra nampitain’ny polisy, mampitairana ny olona eny Ambanidia sy ny manodidina ny fisiana halatra moto. Tonga nametraka fitoriana tao amin’ny polisy ireo very moto. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy ka nanao ny fitsongoan-dia sy vela-pandrika ireo mpangalatra. Nahitam-bokany izany satria moto miisa 10 no tratran’ny polisy ny talata 25 jona 2024 teo. Moto dimy tratra tao an-tranona vehivavy iray eny Anjomakely Ambohibao. Lehilahy iray vao nivoaka ny fonja no tratra teo am-pangalarana moto teny Ambanidia. Niaiky ny heloka vitany ity jiolahy ity nandritra ny famotorana nataon’ny polisy. Miantso ireo very moto ny polisin’ny CSP2 mba hanatona ny biraon’ny polisy hijery sy hanamarina izany eny an-toerana.
J.C