Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray nisoloky ho mahatafiditra tanora ho mpitandro filaminana, tao Antanakoro, distrikan’i Mananara Avaratra, ny 29 jona teo. Efa nahazo lelavola 24 tapitrisa Ar tamin’ny alalan’ny fisandohana andraikitra izy. Nipetraka tao amin’ny vehivavy iray, tao amin’ny fokontany Androkaroka io lehilahy io, ny avril 2023 lasa teo. Nampiresahany tamin’ny alalan’ny fitaka ireo manodidina fa mpitandro filaminana izy. Naneho ny sariny nanao fanamiana miaramila rahateo ireo olona ireo ka natoky ny fanambakany. Nanamafy rahateo io mpitandro filaminana sandoka io fa miara-miasa amin’ny manamboninahitra jeneraly iray eto Antananarivo. Nahazo vola an-tapitrisany nanomboka teo io mpisoloky io. Nahatsapa tena ho voafitaka anefa ireo olona nahazoan’io lehilahy io vola. Nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary izy ireo. Nokarohina, voasambotra ny 29 jona teo izy ka notanana atao famotorana. Hatolotra ny fampanoavana aorian’izay.
Tsiferana R.