Praiminisitra Ntsay Christian : “Hiroso amin’ny fametraham-pialana ny governemanta”

Nitondra fanazavana ny amin’ny toeran’ny governemanta, manoloana izao ho fijoroan’ny Antenimierampirenena vaovao izao ny Praiminisitra Ntsay Christian.

“Rehefa misy ny fifidianana solombavambahoaka toy izao, ny fenitra demokratika dia mametraka mazava tsara fa tsy main­tsy miroso amin’ny fametraham-pialana ny governemanta”. Io no nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian tamin’ny mpanao gazety, teny Tsimbazaza, omaly, taorian’ny famaranana ny fivoriana voalohany sy ny fe-potoana fa­naovan-dalànan’ny Anteni­mi­eram­pirenena, 2019-2024. Anjaran’ny filohan’ny Repobli­ka ny misafidy ny Praiminisitra sy ny mpikamban’ny governemanta hiara-miasa aminy. Fanjakana tan-dalàna i Mada­gasikara ary firenena demokratika. Misy ny maro anisa nivoaka tamin’ny fanambarana ofisialy ny voka-pifidianana nataon’ny HCC. Izay maro anisa izay no manolotra anarana hotendren’ny filohan’ny Repoblika ho Praiminisitra sy hanangana ny governemanta.

Fifidianana ben’ny Tanàna

“Araka ny lalàna velona eto amintsika, manao soso-kevitra amin’ny tetiandro ha­naovana ny fifidianana ben’ny Tanàna ny Ceni”, hoy kosa izy ny amin’ny fifidianana kaominaly efa nanoloran’ny Ceni soso-kevitra hoe amin’ny 6 novambra. Ny governemanta no manapaka ny tetiandrom-pifidianana, ary mandray ny soso-kevitry ny Ceni. Toy ny nanaovana ny fifidianana depiote.
Nisaotra ireo depiote ny governemanta manontolo amin’ny anarany, mankasitraka azy ireo koa tamin’ny asa natao. Be ny fanavaozana natao teto anivon’ny firenena, tsy tomombana raha tsy teo ny depiote sy ny loholona. Niarahaba ny depiote voafidy handray ny asany izy. Amin’ny 9 jolay no hanomboka ny fivoriana manokana. Mirary sahady ny governementa ny hahatomombana hatrany ny asan-dry zareo eto anivon’ny Ante­ni­mierampirenena.

R. Nd.

Partager sur: