Fifidianana ben’ny Tanàna : ho 5 tapitrisa Ar ny anto-bolan’ny kandidà

Efa ao anatin’ny fanomanana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina indray izao ny eo anivon’ny Ceni. Nambaran’ny mpampakateny, i Soava Andriamaro­tafika, fa miasa tsy an-kiato izy ireo na vita aza ny fifidianana depiote farany teo iny. Hivory ho fanomanana ny fifidianana ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsaina izy ireo amin’ity herinandro ity. Tsy misy fiovana aloha izany ny tetiandro fa ny 6 novambra no hanatanterahina izany, amin’ireo kaominina miisa 1 695 manerana ny Nosy. Efa mandeha koa anefa ny tombantomban’ny Ceni fa tokony hanomboka ny 8 ka hatramin’ny 28 jolay izao ny fametrahana ireo antontan-taratasy filatsahan-kofidina amin’izany. “Tsy mbola tena raikitra io tetiandro io fa andrasana ny didim-panjakana momba izany”, hoy izy.
Ankoatra izay, mbola voatazona ho 5 tapitrisa Ar hatramin’izao ny anto-bola ho an’ireo kandidà hirotsaka raha tsy misy ny fiovana. Mety tsy hitovy arakaraka ny kaominina sy ny sokajy misy azy ireo avy izany.
Ny lisi-pifidianana teo ihany…

Etsy andaniny, hampiasaina amin’ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ilay lisi-pifidianana tamin’ny fifidianana depiote farany teo. “Mbola any amin’ny desambra vao hatao ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ka mbola ny lisitra amin’izao ihany no hiatrehana ny fifidianana eny ani­von’ny kaominina”, hoy ihany ny eo anivon’ny Ceni. Mbola andrasana hanefa ny adidiny amin’ny 6 novambra izany ireo mpifidy maherin’ny 11 tapitrisa, voasoratra anaty lisi-pifidianana.
Andrasana, araka izany, ny ho fanapahan-kevitra farany avy amin’ny fanjakana, manoloana ireo tolo-kevitra ireo.

Synèse R.

Partager sur: