Nitsodrano ireo tanora hisolo tena antsika
amin’ny «Parlement francophone des jeunes » ny filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana, Rabenirina Jean Jacques, omaly, teny Tsimbazaza. Anisan’ izany i Mitsinjolavitra Lalaina sy Solofohanitra Jaspierre. Hihazo ny any Canada ny 3 jolay izao. Tsiahivina fa nifarana omaly koa ny fe-potoam-piasan’ireo depiote.
Miova mpitantana ny eo anivon’ny Transparency International – MG. Hisahana izany manomboka izao, Randriamampianina Mialisoa. Voatendry ho tale mpanatanteraka eo anivon’ny “Mouvement mondial Publish what you pay” ny mpitantana teo aloha, Rafitoson Ketakandriana. Mijanona ho mpikambana tsotra izy, manomboka izao.
Ilaina ny manao arovava orona ho an’ireo mpiasan’ny minisiteran’ny Fitsarana rehefa mivory, araka ny fanentanan’ny mpitsabo, nandritra ny fananganan-tsaina, natao tetsy Anosy, omaly. Anton’izany ny gripa mahery amin’izao ririnina izao. Nentanina koa ny rehetra hiara-kientana amin’ny hetsika “Varavarana misokatra ho an’ny vahoaka”, hatao ny 18 jolay izao etsy Analakely.
Hidera sy hisaotra an’Andriamanitra ny depiote Avotra, voafidy eny Avaradrano, ny 4 jolay izao ka niantso ny rehetra ho avy amin’izany. Hatao ao amin’ny FLM, Ebenezera Sabotsy Namehana izany. Hitohy amin’ny didim-poitra faobe hatao ny zoma 5 jolay izao ao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana ihany izany.