MNP-WCS: Fitantanana maharitra ny alan’ i Makira sy Masoala

Nahazo mpiara-miombon’antoka ny Madagascar National Park sy ny fikambanana Wildlife Conservation Society (WCS), hitantanana maharitra ny alan’i Makira sy Masoala.

Nampahafantarina omaly, ny fandaharanasa tohanan’ny Legacy Landscape Fund (LLF) ara-bola, avy amin’ny Fiaraha-miasa alemà (KFW) sy ny Antokon-draharaha frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD). Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Antoine.

Tetikasa maharitra no tena mampiavaka azy, ka mitentina 1 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola isan-taona mandritra ny dingana voalohany hatramin’ny taona 2030, arakaraka ny ezaka vita. Mitantana ny any Makira ny Wildelife Conservation Society (WCS), ary ny Madagascar National Park (MNP) ny any Masoala. Anisan’ny asa hatao ny hitazonana amin’ny endriny ny tontolo voajanahary any amin’ireo valanjavaboahary roa (AP) ireo. Ho hamafisina ny fomba fitantanana hifanandrify amin’ny fenitra iraisam-pirenena, fitandroana ny zon’olombelona, ny tomban’ezaka ny zava-bita, ny fampiharana ny lalàna, sns.
Tohanana ny velon-tena
Hamafisina koa ny fahaiza-mitantan’ny vondron’olona eny ifotony. Ho tohanana ny velon-tena amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Ho hatsaraina ny fahasalamana sy ny fanabeazana hanana toe-tsaina miaro ny tontolo mananaina, sns.
Mitotaly 1 tapitrisa ha ny tontolon’alan’i Makira sy Masoala, anisan’ny sisa tavela amin’ny ala mando mikitroka eto Madagasikara. Mampitohy azy roa ny tandavanalan’ Ambatolaiadama sy Ampipoahantsatroka. Tsy hita raha tsy any an-toerana ny 95% ny karazan-javamaniry sy biby. Miaro amin’ny rivodoza sady manangona ny entona karbona miaro ny habakabaka sy ny tontolo iainana. Mirefy 405 420 ha ny velaran-tany manodidina ny ala, tantanin’ny vondrona olona ifotony.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: