Miompana amin’ny fampidirana herinaratra any ambanivohitra ny tetikasa Angovo. Voakasik’izany ny faritra Androy, Anosy, Melaky, Menabe, miampy ny distrikan’i Betioky, Ampanihy ary Toliara II. Misy koa ny tetikasa Ranomafana, mahakasika ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano.
Miisa 203 ny tantsaha nisitraka kojakojam-pamokarana any amin’ny kaominina Miandrarivo, distrika Tsiroanomandidy, ny 29 sy 30 jona teo. Milanja 1 827 kilao ny masomboly vary an-drano, zezika NPK 3 045 kilao ary zezika biolojika 15 225 kilao nozaraina. Izany dia ao anatin’ny tetikasa “Purpa”, tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena.
Mirefy 12 ha ny fari-drano tantanin’ny VOI Miray, ahitana mpikambana miisa 30, any Amparihitsoka, distrika Ambatondrazaka. Tinapaka, taorian’ny fidinana ifotony nataon’ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd), ny Jono (DRPEB) ary ny ONG Madagasikara Voakajy, fa tsy azo hanjonoana, ka hatao fanatodizan’ny trondro ity fari-drano ity.