Lavon’ny balan’ny zandary nanao fisafoana tampoka ny jiolahy raindahiny amin’ny fanakanan-dalana tao amin’ny lalam-pirenena faha-32 A, mampitohy an’i Vohitraivo, kaominina Vohimena, sy ny renivohitry ny distrikan’Andilamena, afakomaly. Nitrangana fanafihana teny amin’io lalana io, tamin’ny 29 jona teo, tamin’ny 3 ora maraina. Fiara taksibrosy mampitohy an’Antananarivo sy Andilamena no lasibatra. Tsy nahazo na inona na inona anefa ireo dahalo vokatry ny fahatongavan’ny zandary teo no ho eo. Nitsoaka nandositra ireo mpandroba. Tetsy ankilany, nanao fisafoana tampoka tamin’io lalam-pirenena io ny zandary notarihin’ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritra Andilamena sy ny kapiteny kaomandin’ny “2ème Compagnie d’infanterie Andilamena” eo anivon’ny Bataillon d’infanterie Ambatondrazaka. Voasokajy ho faritra mena amin’ny fanakanan-dalana ataon’ireo jiolahy rahateo io RN32A io ka nanao fisafoana alina izy ireo. Vokany, nifanehatra tamin’ny olon-dratsy mpanao io asa ratsy io ny zandary tamin’ny 1 ora maraina. Lavo tamin’izany ny dahalo iray efa tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny sekreteran’ny kaominina Bemaitso. Nandroba vola mitetina 14 tapitrisa Ar io dahalo io sy ny namany tamin’ny alin’ny 6 hifoha ny 7 febroary 2024 teo.
Tsiferana R.