Tsy mety fay ! Mpiadina efatra manala ny fanadinam-panjakana BEPC indray no tratra nanao hosoka tao Anosibe An’ala, omaly. Nandritra ny fanatanterahana ny taranja Tantara sy Jeografia (Histo-Geo) no nahatrarana azy ireo. Efa nisy ihany ny fisavana ireo mpiadina teo am-pidirana saingy tsy hita ny zavatra nafenin’izy ireo. Teo amin’ny fisavana fanindroany nataon’ireo tomponandraikitra misahana ny fanaraha-maso tao anaty efitrano fanadinana no nahatrarana ireto mpianatra ireto. Tratra tany amin’izy ireo ny laza adina Tantara sy Jeografia efa nisy valiny tamina taratasy tsotra. Tsy afa-nihetsika intsony izy ireo ka noraisim-potsiny. Tsy hitan’ireo mpisava teo am-pidirana ireo taratasy misy valiny tany amin’izy ireo. Samy efa nivonombonona ny hamoaka ny valiny ireo mpiadina tamin’ny fotoana nahatrarana azy. Niaiky ny heloka vitany ireto mpiadina tratra ireto nandritra ny famotorana savaranonando nataon’ny zandary. Nambaran’izy ireo tao anatin’ny famotorana fa talen-tsekoly amina sekoly tsy miankina sy mpianatra amina Lycée iray ao Toamasina no nanampy azy ireo. Nametraka fitoriana avy hatrany lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana ao Anosibe An’ala. Mitohy ny famotorana ataon’ny zandary momba ity raharaha fandikan-dalàna nataon’ireo mpiadina.
Tsy vao izao no nahitana mpiadina manao hosoka toy izao rehefa fanadinam-panjakana.
J.C