Maka Alphonse : “Mila firaisankina isika amin’izao misy ny firenentsika izao”

Aorian’ny fifidianana izao… Tsy misy ny krizy politika, novoizina sy nitaizan’ny mpanao politika sasany ny vahoaka hatramin’izay: krizy aorian’ny fifidianana. Ahoana koa ny manaraka? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Conseil du fampihavanana malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse. Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Inona no hatao hampaharitra ny fitoniana amin’izao aorian’ny fifidianana izao? 
Maka Alphonse (-): Tsy misy afa-tsy ny fifampiresahan’ny samy Malagasy ihany… Raha misy heverina hoe mampifanditra na mampifanolana, fifampiresahana an-kitsim-po ihany no hahazoana mamaha izany. Nisy, ohatra, ny olana ny amin’ny solika, nifampiresaka ny tomponandraiki-panjakana sy ny mpamatsy solika dia nivaha ny olana. Raha mbola Malagasy, matoa manao politika, na mpitondra na mpanohitra: mitovy ny tanjona dia ny hampandroso ny firenena. Raha iray ihany no tanjona fa ny lalana no samy hafa: inona no tsy hampiraisana ny feo hirosoan’ny firenena amin’ny fampandrosoana? Efa tena marefo ara-toekarena sy sosialy ary politika ny firenentsika.
* Mbola ilaina ve ny fampihavanam-pirenena? 
– Raha zohina, teraka tao anatin’ny disadisa politika, 2008-2009, ny rafitra fampihavanam-pirenena. Nanapa-kevitra ny mpisehatra politika rehetra fa ilaina ny fametrahana an’izay tsy hiverenan’ny krizy. Izay no nananganana azy, nisian’ny tondrozotra izay lasa lalàna taty aoriana ary nosoratana ao anatin’ny lalàmpanorenana. Tsy izaho filohany teo aloha no maniry azy hoe ravao na hapetraho io, fa ny lalàmpanorenana no manery antsika. Mbola ilaina ve izay amin’izao? Mila fitoniana ny firenena. Anisan’ny vaindohan-draharahan’io rafitra io ny hametrahana an’izay. Raha tsy misy ny fitoniana, tsy misy ny fampandrosoana. Ankoatra ny maha rafitra ara-panjakana azy, ilain’ny firenena izy io hahazoana mametraka fitoniana.
* Ny hafatrao ho an’ny vahoaka hisian’izay fitoniana izay hatrany? 
– Amin’ny alalan’ny fifidianana ihany no hahazoan’ny vahoaka maneho ny heviny. Na manasazy sy manafay na manome isa tsara izay mpitondra eo izany. Ao anatin’ny fe-potoam-piasana faharoan’ny filohan’ny Repoblika izay raiamandrenin’ny Malagasy rehetra isika izao. Nikabary izy tamin’ ny fankalazana ny faha-64 taon’ny niverenan’ny Fahaleovan­tena, mazava fa hoe ilaina ny firaisankina. Mila firaisankina isika amin’izao vanim-potoana misy ny firenentsika izao. Ny hampandroso ny firenena no tanjona.
Nangonin’i R. Nd.
Partager sur: