“Raha ny lalàna, manery ny eto anivon’ny Antenimierampirenena fa tsy maintsy omena ny mpanohitra izay filoha lefitra fahafito izay”. Io ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena mpisolo toerana, Rabenirina Jean-Jacques, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny toeran’ny mpanohitra eny Tsimbazaza.
Filoha lefitra iray isaky ny faritany, ary ho an’ny mpanohitra ny filoha lefitra fahafito. Izay vondrona parlemantera mitonona ho mpanohitra no mahazo an’izay filoha lefitra fahafito izay, fa tsy hoe vondrona parlemantera ankoatra ny maro anisa izany. Misy ny tsy miankina na mahaleo tena izay milaza hoe tsy miaraka amin’ ny mpitondra sady tsy mpanohitra. Noho izany, tsy mahazo an’izay toerana izay. An’ny vondrona Firaisankina izany ny toeran’ny filoha lefitra fahafito na ny lehiben’ny mpanohitra eny anivon’ny Anteninimierampirenena. Anjaran-dry zareo ny mifandamina ny amin’ izay.
Toy ny fandaminan’ny maro anisa izay hatao filohan’ny Antenimierampirenena sy izay ho lefitra isaky ny faritany.
R. Nd.